<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>742</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 (Maintimolaly)

[V2]
 Zanahary no mahela
 Izay fe-taona iainanay,
 Ka miantra sy mamela
 Tombon'andro ho anay ;
 // Nefa vitsy //
 No ho andronay atý.

[V3]
 Betsaka ny andro lany
 Nanaranam-po izao ;
 Misy feo manontany :
 Vita ve ny asanao ?
 // Miezaha //
 Avy re ny alim-be.

[V4]
 Mamindrà fo, Zanahary !
 Mamelà ny helokay ;
 Tompo ! aza mba manary,
 Andrao ho very izahay ;
 // Mihainoa //
 Ny mifona aminao.

[V5]
 Ry Jehovah ! manomeza
 Izay ilainay olonao;
 Mitahia, mampahereza,
 Mba ho tonga ao aminao,
 // Ka hahazo //
 Satro-boninahitra ao.</lyrics>
<title>Zanahary no mahela FFPM742</title>
</song>